Notanterahina omaly teny amin'ny kianja fanazaran-tena mitifitra na « champ de tir »
Langaina ny famotehana ara-pomba miaramila ireo baomba vita tanana sarona sy fanandramana ireo basy mahery vaika samy nogiazana nandritra ny taona maro teo anivon'ny Fari-piadidian'ny zandarimariam-pirenena Antananarivo. Araka ny baiko sy toromarika nomen'ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jeneraly Komandin'ny Zandarimariam-pirenena dia hanatanteraka izany koa ireo Fari-piadidiana sy Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria manerana ny nosy. Ireo baomba fampiasan'ny miaramila sy ireo ilay antsoina hoe artizanaly na "artisanale" na vanja izay sarona sy nogiazana nanomboka ny Fitondrana tetezamita ireto nopotehina teo imason'ny solotenam-bahoaka ireto mba hisorohana ny loza mety haterany aoriana, indrindra fa rehefa ela loatra ny fe-potoana hitahirizana azy ireny, hoy hatrany ny fanazavana. Ireo basy maheri-vaika sy fitaovam-piadiana hafa nogiazana, ka hita fa mbola azo ampiasaina kosa, dia omena ireo Tobin’ny zandarimaria amin'ny faritra mena mba hanampiana ireo fitaovana entina mamongotra ny tsy fandriampahalemana, hoy hatrany ny fanazavan’ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara, Komandin'ny Fari-piadidian’ny zandarimaria eto Antananarivo.
J. Mirija
Legende : Ny jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.