Fandriampahalemana

Taorian’ny kiririokan’ny tsy fandriampahalemana Andrasana ny an’ny vidim-piainana


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Raha vao nandeha ny kiririoka sy ny vely tako-bilany sy ny famelesana izay azo novelezina rehetra nentina nanehoana fa tofoky ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny ireo mponina teto Antananarivo ny alakamisy teo dia nisy jiolahy voatifitra avy hatrany koa niara-dalana tamin’izay teny Masay.

 
Andeha atao hoe nandona ny hambom-pon’ireo mpitandro ny filaminana iny hetsika notairin’ny vondron’ny mpandraharaha iny. Mampametra-panontaniana ny maro moa ny hoe rehefa ny mpanankarena izany no miantso dia manaraka ny rehetra ? Izy ireo mantsy no tena iantraikan’ny fakana an-keriny mivantana ary manana fahefana hibaiko ireo mpiasany hanaraka ny tiany hahatongavana. Samy mahatsapa anefa ny rehetra fa mihorohoro amin’ny tsy fandriampahalemana avokoa. Rahoviana kosa no ho avy ny kiririoka be toy ireny indray hilazana ny tsy fankasitrahana ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny ? Sa mety tsy ho ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpandraharaha ? Izy ireo aza sahy milaza fa tokony hiakatra 600 ariary ny vidin-tsolika kanefa efa in-5 niakatra tamin’ity taona ity. Etsy an-kilany, tsy hita izay fepetra matotra noraisin’ny fanjakana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana hatreto. Sa ve hiandry kiririoka itakiana fametraham-pialana ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT