Fandriampahalemana

Tambazotrana mpivaro-jaza 5 mianadahy voasambotry ny Zandary


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Fitiavam-bola diso tafahoatra ve sa efa endrika fahantrana, indrindra ara-moraly. Dimy miandahy ireo tra-tehaky ny zandary ka vehivavy avokoa ny 4 ary mbola mifikitra mitrotro zazakely menaky ny ainy ny iray izay tsy mieritreritra ny fangirifirin’ny zanaky ny hafa sy ireo nahitany masoandro nisara-mianakavy .

 

 

 

 Tamin’ny herinandro, niantso ny mpanao gazetinay ny rain’ilay zaza fa saika handefa filazana ankizy very tamin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera. Nandrasana anefa tsy namerina niantso izy. Andro vitsy dia nilaza fa efa hita ilay zaza ary saika hisy hivarotra ka efa mandray an-tanana izany ny zandary eny Fiadanana. Tsy navoaka haino aman-jery mihitsy izany amin’ny mety hampandositra ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Omaly talata hariva, navoakan’ny fampitam-baovaon’ny zandariamariam-pirenena Andrefanambohijanahary fa voasambotra olona dimy  mpangalatra sy mpivarotra zaza  ary mbola misy tafaporitsaka amin’ity raharaha ity. Nandeha ny feo fa misy mpivarotr’olona eto an-drenivohitra, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany. Natao ny vela-pandrika ka mody zandary no mpividy, ary teny amin’ny kianjan’ny Makia Andohatapenaka ny fotoana nifanomezana, ny zoma 8 martsa. Olona roa izy ireo no nitondra ilay zaza efa-taona ary notombanany 10 tapitrisa ariary ka nosamborina avy hatrany. Lehilahy miisa efatra avy eny Ampasika no nahazoany ilay zaza. Nofandrihina ireo teo Andranomanalina, ny sabotsy 9 martsa fa tafaporitsaka. Nanatanterahana vela-pandrika ihany koa ny telo hafa ka azo avy hatrany ary mpihavana avokoa izy rehetra ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo taorian’ny famotorana sy ny fampanoavana nataon’ny PAC ny

11 martsa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, voamarina fa ilay very zaza teo Antetezana Afovoany 67ha no ray aman-drenin’ilay zaza ka nampodiana any an-tokatranony.

 

Haja Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT