Fandriampahalemana

Tale jeneralin’ny OCEAN TRADE Efa votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny


  • Talata 19 Jona 2018

Votsotra tamin’ny alahady tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny Atoa Mustafa Hiridjee, tale jeneralin’ny orinasa Ocean Trade.

 

  Salama tsara ny lehilahy, araka ny vaovao azo. Tsy nisy nandrimbinana ihany koa ny tenany ka tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo fianakaviany azy. Raha tsiahivina, tamin’ny 11 jona no nisy naka an-keriny teny Soavimasoandro ny lehilahy. Vatan-dehilahy misaron-tava maromaro no naka azy, tranga izay saika niteraka savorovoro teny amin’iny faritra iny. Nanamarika ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa fotoana fanararaotan’ireo mpanao ratsy ny fotoana tsy mampilamina ny firenena tahaka izao noho izany mila mailo ny tsirairay avy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT