Ny zoma hariva lasa teo izy no nisy naka an-keriny, raha araka ny vaovao azo ary tsy nandrenesam-baovao hatramin'ny omaly. Efa miezaka ny mitady vahaolana avokoa ireo fianakaviany, indrindra fa ireo vady aman-janany. Raha ny vaovao azo hatrany, nandeha irery ity teratany Karana iray ity no izao nisy naka an-keriny izao. Manaitra ny fitondram-panjakana ny amin'ny tokony hijerena ny fakana an-keriny miseho eto amintsika sesilany ireo teratany vahiny mivondrona ao anatin'ny CFOIM mba hiarovana ny ain'izy ireo sy ny zony hitovy amin'ny teratany Malagasy rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.