Fandriampahalemana

Talata Andraikiba Tratra ireo mpivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vakinankaratra ny lehilahy miisa telo, 21, 23 ary 25 taona ny 13 mey lasa teo tany an-toerana noho ny fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika.

Fantatry ny polisy miasa ao any an-toerana fa misy andian'olona nikasa hivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy any amin'ny faritra Talata/Andraikiba. Niara-nisalahy avy hatrany ireo Polisy miasa any an-toerana izay nahitana ny Polisy miasa ao amin'ny SRPJ, ny UIR ary ny kaomisaria afovoany tamin'ny fijerena ny zava-misy. Natao ny fanaraha-maso, napetraka ny paik'ady sy ny vela-pandrika ka lehilahy miisa telo no sarona tamin'ny toerana kizokizo iray Avaratra Talata/Andraikiba izay tratra ambodiomby teo am-pivarotana basy carabine. Noentina avy hatrany eny amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka izy ireo natao fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT