Fandriampahalemana

Taksibrosy - Fasan’ny Karana Mbola nisy nampiakatra saran-dalana ihany


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Tsy voafehy araka ny fampanantenana nataon’ireo tompon’andraikitra ny saran-

 

 

dalana teny amin’ny tobim-piantsonana fasan’ny karana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo. Mbola maro tamin’ireo taxi brousse niazo ny lalam-pirenena fahafito toy ny niazo an’Ambatolampy, Antsirabe, Ambohimandroso… mantsy no nampiakatra izany ka nampitaraina ny maro. Rehefa nanontaniana ny antony nahatonga izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity tobim-piantsonana ity dia nambaran’izy ireo fa noho ny tsy fahampian’ny fiara fitaterana no nanosika azy ireo hampiakatra ny saran-dalana. Tsy maintsy nanafatra fiara hafa avy any ivelany mantsy izy ireo ka tsy maintsy naka saran-dalana ambonimbony kokoa ireto farany hitsinjovany ny firenenany teto an-drenivohitra tsy misy mpitaingina. Na izany aza anefa raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia tsy betsaka noho ny tamin’ny fetin’ny Noely teo ny mpandeha. Nihena izany raha oharina amin’ny isan-taona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT