Fandriampahalemana

Tahotry ny herisetra amin’ny hariva Lasa mody aloha ny ankamaroan’ny olona


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Lasa miandry taxibe aloha avokoa ny olona amin’izao, indrindra fa ireo miazo iny faritra Itaosy Atsimondrano iny.

Hatramin’ny nanindroman’ireo tsy mataho-tody antsy ny tendan’i Arlivah tamin’ny Alarobia hariva lasa teo ilay mpanentana fandaharana amin’ny vata fahitalavitra no sady mpilalao tantara no nisian’izany. Vokany, amin’ny 03 ora folakandro dia efa feno mpiandry taxibe etsy amin’ny 67 ha atsimo. Mikoropaka mandray fiara karetsaka amin’ilay sarany 4.000 na 5.000 Ar ny mpandeha aorian’izany raha vantany vao tsy mahazo taxibe hatramin’ny 05 ora hariva noho ny tahony. Raha araka ny feo mandeha eny amin’iny faritra iny dia efa jiolahy zatra mpanendaka sy mpamono olona eny amin’iny faritra 67 ha iny mihitsy ireo dimy lahy nanindrona antsy ny tendan’i Arlivah. Manararaotra manao ny asa ratsiny avy hatrany izy ireo raha vantany vao maizimaizina ka tokony ho samy ho mailo ny rehetra. Mikasika ny Arlivah manokana moa dia fantatra fa efa mihatsara ny toe-pahasalamany. Efa nahavita scanner ihany koa izy koa inoana fa hivoaka ny hopitaly tsy ho ela. Raha fehezina dia tsy mandry fahalemana intsony ny tanàna eto an-drenivohitra. Na hivoaka maraina na hody hariva dia feno tebiteby hatrany ny rehetra sao sanatria hisy hanendaka ka mety hanaraka hatramin’ny aina. Eo an-daniny anefa tsy maintsy miasa mivoaka mitady vola mba hampandehanana ny fiainana. Ny fiakaran’ny vidim-piainana rahateo iaraha-mahalala. Aiza ho aiza araka izany no hametrahan-dRamalagasy ny tongony ?
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT