Manoloana ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny herisetra nisiana faty olona teny Analakely ny sabotsy 21 aprily dia nanao fanambarana lehibe teny Betongolo ireo Lehiben’ny Tafika, Zandarimariam-pirenena ary Polisim-pirenena omaly,
dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena Béni Xavier Rasolofonirina, ny minisitry ny filaminam-bahoaka Mamy Jean Jacques Andrianisa, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Andriamahavalisoa Girard. Miondrika am-panajana amin’ireo namoy ny ainy ary mirary fionona tanteraka ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina, mirary ihany koa fahasitranana haingana ho an’ireo naratra na ny teo anivon’ny vahoaka na ho an’ny mpitandro filaminana. Mitaona ny mpanao politika mba hahay hifampiresaka ny mpitandro filaminana, ka mba vahaolana politika no hoentina mamaha ny olana politika fa tsy fitarihana mankany amin’ny korontana. Tsy hanaiky mihitsy ny rafi-pitondrana apetraka ivelan’ny fifidianana ny mpitandro filaminana satria tsy izay no mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana manan-kery, hoy izy ireo. Nivoitra ihany koa fa tsy hanaiky ny hanaovana sahan’ady politika ny firenena ary manohitra ny fambolena korontana amin’ny endriny rehetra. Manatanteraka hatrany ny andraikiny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary tsy mieritreritra mihitsy ny iraka mifanohitra amin’izany izahay, hoy izy ireo. Manentana ny rehetra ho tony ary tsy hijery ara-tsy ny tombotsoa ambonin’ny firenena ireto lehibena mpitandro filaminana ireto. Niova tanteraka izany ny toe-draharaha satria nilefitra ary tsy te hiditra amin’ny baiko politika izay mamadika azy ireo ho herim-pamoretana ny mpitandro filaminana, ka avela malalaka ny famoriam-bahoaka manomboka eto.
Omaly vao maraina ny Prefen’Antananarivo dia efa nanao fanambarana, fa tsy hihetsika intsony, afa-tsy amin’ny fiarovana sy fisorohana ny fandrobana na famotehana fananan’olona ny mpitandro filaminana. Efa ampy izay ny rà latsaka teto amin’ity tanindrazana ity, hoy izy. Raha ny lojika nanomboka ny alahady, na izaho na nametra-pialana na nesorina tamin’ny toerana, hoy hatrany io jeneraly io. Ny tsy fisian’ny lefitra hisolo azy no tsy nametrahany fialana, ary eo ihany koa ny maha manamboninahitra ambony azy, izay tsy tokony hilefa ady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.