Nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy teny amin’ny kianja « Soamandrakizay » ny praiminisitra ny harivan`ny 03 septambra 2019 ary niaraka tamin’izany dia nisy ny lanonana namoahana mpanamory angidimby tamin’ny fomba ofisialy, notanterahina tao amin’ny foiben’ny Tafika ana habakabaka Malagasy.
Notsiahivin’ny praiminisitra fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fametrahana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana. « Manamarika ny famerenana ny hasin’ny Tafika Ana habakabaka izay manana anjara andraikitra lehibe amin’ny famerenana ny fandriampahalemana izao lanonana izao, ary tsy hisy ny fandriampahalemana raha tsy manana Tafika matanjaka ny firenena ». Nantitranterin’ny praiminisitra hatrany ny maha zava-dehibe ny fifamenoan’ny andraikitry ny Tafika an-dranomasina sy ana habakabaka ary ny andian-tafika rehetra manerana ny nosy, eo amin’ny fitandroana ny filaminana. Manoloana ireo lamina ara-piarovana izay efa napetraka mialoha entina handaminana ny fivahinianan’ny Papa François eto Madagasikara dia tonga nijery ny antsipirihan’ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay mandray an-tanana ny fandrindrana ny fandraisana, ny praiminisitra. Nojerena tamin’izany ny fandaminana ny fahatongavan’ny Papa, miainga avy eny amin’ny seranam-piaramanidina ary ny fifamoivoizana amin’ireo toerana rehetra holalovany, hatreny amin’ny kianja handraisana ny lamesa. Nojerena koa ny fahatomombanan’ireo pitsopitsony ilaina eny an-toerana. Notsipihiny fa antoky ny filaminana ny fahazoan’ny vahoaka ara-potoana ny toromarika omen’ireo tompon’andraikitra mandritra sy aorian’ny lamesa hohamafisina ny eo amin’ny lafiny serasera.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.