Teratany Sinoa iray monina ao Toliara no nisy nanafika tao an-tranony miditra ao an-dakoron’ny lisea Laurent Botokeky ao amin’ny fokontanin’i Soavadia Toliara ny harivarivan’ny alatsinainy 22 jona 2020 mbola andro mazava tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any.
Nitondra fiara 4X4 ireto jiolahy mpanafika ireto ka roa nijanona niandry tety ivelany tao anaty fiara fa ny roa nitondra basy kosa no niditra nanafika an’ilay Sinoa tao an-trano ka kilemaina ny iray tamin’izy ireo. Lasan’izy ireo tamin’izany ka nataony tao anaty gony ny vola misimisy ihany an’ilay ilay Sinoa izay mbola tsy fantatra marina hatreto ny teti-bidiny. Andalana fanavana famotorana an’ity raharaha ity ankehitriny iro mpitandron’ny filaminana any an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.