Mitaky fanadihadiana tsy mitanila avy amin’ny fanjakana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ny fianakavian’ireo maty notifirin’ny zandary tao Soahazo,
fokontany sy kaominina Ivahona, ao amin’ny distrikan’i Betroka ankehitriny, hivoahan’ny marina momba ity raharaha miteraka resabe ity.
Nanambara ny solontenam-pokonolona nitondra ny fitarainana fa : « tsy misy fantatry ry zareo ny anton’ny hetsika nataon’ny zandary tany an-tanànany satria dia niara-niasa hatrany tamn’ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Lavinay mponina tanteraka ny filazana ofisialy navoakan’ny zandary fa tanànan’ny dahalo i Soahazo, hoy izy, sy nandraofana omby halatra 400 isa. Voafitaky ny tena dahalo izay nanafika anay ny zandary, hoy ny fanampim-panazavana azo. Ireo olona nitarika ny zandary handripaka ny vahoakan’i Soahazo ihany no namono ny komandin’ny kaompanian’ny zandary tao Betroka niaro ny tanàna tamin’ny taona 2015.
Tsiahivina fa tonga vao maraim-be tao Soahazo ny zandary ny 28 jona teo ary tsy niresaka fa nanao tifi-davitra avy hatrany, nandoro trano efatra tao an-tanàna ary nitifitra ny ray aman-dreny saika hanontany ny anton’io hetsika io. Rava fananana tanteraka ny mponina satria may avokoa ny tahirim-bary nandritra ny taona ankoatra ny vola ary ireo omby 400 nalain’ireo sivily niara-dia tamin’izy ireo tao am-bala. May ihany koa ny bokin’ireo omby nentin’ny zandary ireo. Nandositra ny vatan-dehilahy mba tsy hifanoherana amin’ny fanjakana, nisy ny nofatorana izay tratra tao an-tanàna ary nisy notifirina ihany koa.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.