Fandriampahalemana

Sinoa mpitrandraka volamena Maty voakapa famaky


  • Talata 29 Janoary 2019

Lehilahy teratany sinoa iray mpitrandraka volamena any amin’iny Malazamasina Mananjary iny no maty voakapa famaky ny lohany sy ny tanany ny alahady alina lasa teo.

 

 

  Araka ny fantatra dia nisy nanafika ny tranon’ity sinoa lahy iray ity.  Jiolahy miisa fito no indray nanafika azy tamin’izany  nikasa haka ny volamena rehetra efa voaangon’ity sinoa ity tao an-tranony saingy tsy nisy ny entana  azon’izy ireo. Niaraka tamina sinoa hafa sy Malagasy mpiara-miasa amin’ilay sinoa ireo jiolahy,  raha ny vaovao azo. Nisy ny fifanjevoana. Jiolahy iray no voalaza fa naratra mafy saingy tafaporitsaka.  Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha ary efa nanomboka omaly ny fanadihadiana tao an-tanàna.  Tsiahivina moa fa naratra be ihany koa ny lohan’ity sinoa ity. Teo ambony fandriana izy no nitsotra farany izay voalaza fa niezaka ny nanavo-tena ihany saingy tsy nahatohitra ireo nifanandrina taminy.

 

 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT