Fandriampahalemana

Seranan-tsambon’i Toamasina Nanjavona ny fanafody iray kaontenera


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Fanafody iray kaontenera nanjavona tao amin’ny seranan-tsambo any Toamasina, araka ny fampilazana fahaverezana entana nataon’ny Office Pharmaceutique Malgache na OPHAM,

 izay orinasa mpamongady fanafody. Very tao amin’ny seranan-tsambo ny 5 aogositra 2021 izany. Manao antso avo amin’izay manam-baovao mety hahitana io kaontenera io ity orinasa ity, izay efa nifanaraka tamin’ny manampahefana ara-pahasalamana. Miisa 1360 baoritra ireo fanafody ireo ary misy ny marika DESKA. Toy izao ny fitsinjarany: Amoxicilline Gélules Lot: 70621037/36/37/38/39/40/41 izay ho lany daty amin’ny volana martsa 2024; Ampicilline Injectable Lot: 586210306 ho lany daty amin’ny martsa 2024; Ibuprofen Comprimés Lot:B01201201 ho lany daty amin’ny desambra 2023; Peniciline G Injectable Lot:675210304/05 ho lany daty amin’ny martsa 2024. Amin’ny ankapobeny dia antibiotique sy fampitoniana fanaintainana ireto fanafody iray kaontenera nanjavona tany Toamasina ireto. Zavatra tsy fahita izany afera sy halatra kaontenera izany, fa fanondranana an-tsokosoko no mety misy, na lavanty an’ireo entana tsy misy maka na tsy nahaloa haban-tseranana, fa tsy dia fandre firy ny toa ity indray mitoraka ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT