Nivoaka tao anatin’ny fahanginany momba ilay raharaha rongony mahery vaika tratra tao anatin’ny sambo MSC Lucia miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana, ahitana ny ladoany
, ny zandary sy ny polisy miasa eo anivon’ny seranana ary ny “capitainerie” an’ny seranan-tsambon’i Toamasina misahana ny fampidirana sy famoahana ireo sambo tonga sy hiala ao Toamasina. Raha ny fanazavan’izy ireo, fonosana telo milanja 3 kilao sy 138 grama izy ireto. Tombanana ho 600 tapitrisa ariary ny vidiny raha alaina amin’ilay 200.000-300.000 ariary ny grama hamarotana azy eto amintsika. Tao amin’ny “pont”-n’ny sambo sy tamina “palette” misy entana alefa any Maorisy ary tany anaty lakalin’ny sambo no nahitana azy ireo nandritra ny fisavana. Rongony avy any Pakistan sy ny faritra manodidina azy no niaviany izay ampidirina an-tsokosoko amin’ireo entana hafaran’i Madagasikara any amin’ireo firenena ireo izay tena nahazo vahana nanomboka ny taona 2012 no ho mankaty, indrindra ny enta-madinika ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny angom-baovao natao dia tsy maintsy nisy firaisana tsikombakomba tamin’ireo tantsambo entin’ity sambo MSC Lucia nahatrarana azy ity ny fampidirana ny rongony tao anaty sambo. Tsy sambany izao fanondranana an-tsokosoko rongony “heroine” ataon’ny sambo MSC izao. Efa nanao toy izao koa ny sambo “Cailas” ny 10 janoary teo saingy ny fahatongavany tao Maorisy no nahatrarana azy. Nilanja 4 kilao sy 200 grama izy io. Vokatr’izao firoborobon’ny fanondranana rongony mahery vaika amin’ny alalan’ny sambo izao, nanamafy ny fiaraha-miasany ny ladoany Malagasy sy Maorisianina ka misy ny laharana maitso amin’ny ladoany ahafahan’ny olona miantso, dia ny larahana 034 30 810 10 no antsoina izay miasa 24ora amin’ny 24ora sy amin’ny 7 andro sy 7 andro ihany koa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.