SERANAN-TSAMBON’I NOSY-BE

Naiditra am-ponja ilay vehivavy nahatrarana cocaine 250 g


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Miparitaka ireo karazana zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika.

Anisan’izany ny cocaine izay marihina fa haingam-piasa‚ mamotika tanora izay miankin-doha aminy. Vehivavy teratany Malagasy no nosamborin’ ny zandary tao amin’ny seranan-tsambo Nosy-Be‚ niaraka tamin’ny “cocaïne 250 grammes” ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao azo dia vehivavy akaikina lehilahy kandida solombavambahoaka iray ao Port Berge izy io. Narahin’ny mponina maso ny fihetsika nataony nandritra izany ka ireto farany ihany no nanome vaovao momba azy. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy-Be ny anaovavy vokatr’izany taorian’ny fiakarany teo anivon’ny fampanoavana.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT