Fandriampahalemana

SEKOLY AMBONY ESPIC Misokatra ny fianarana “spécial samedi”, hahazoana ny mari-pahaizana Bacc+2


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Sekoly ambony iray miorina etsy 67 ha avaratra andrefana ny ESPIC ( Ecole Superieur Professionnelle en Informatique et Commerce).

Tsy mitsaha-miitatra ny asa fanampiana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea eto an-drenivohitra ankehitriny. Nisokatra nanomboka tamin’ity taona 2017 ity indray mantsy ny fianarana “spécial samedi”, izay manana ny “catégorie” fahaefatra ao amin’ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ( Min FOP). Maharitra 20 volana ny fianarana, ka ny 17 volana any am-pianarana, raha hianarana asa kosa ny telo volana, izay iantohan’ny sekoly madiodio. Mba hahatsara ny kalitaon’ny fampianarana anefa dia noferana ho 12 isaky ny vondrona ihany ny mpianatra azo raisina. Lalam-piofanana roa no voakasik’izany dia ny infôrmatika sy ny marketing, ka solosaina entin-tanana iray ho an’ny mpianatra iray. Ny sabotsy 09 desambra ho avy izao no hanomboka ny fampianarana, miditra amin’ny valo ka hatramin’ny 12 ora atoandro.  Tsiahivina fa miara-miasa amin’ny orinasa marobe ny sekoly ambony ESPIC. Azo atao tsara ny miantso ny laharan-tarobia 033 64 566 90, ho an’ireo izay liana amin’izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT