Fandriampahalemana

Sekolin’ny zandarimaria Ambositra Noraisina omaly ireo 1200 vaovao


  • Talata 24 Aogositra 2021

Tontosa soa aman-tsara ny fifaninana hidirana ho Zandarimariam-pirenena eto anivon'ny sekolim-piofanan'ny Zandarimariam-pirenena Ambositra (EGNA) na ny

 "Ecole Nationale de la Gendarmerie Nationale d’Ambositra", izay vokatry ny fiaraha-miasa teo anivon'ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny Zandarmaria sy Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, tamin’ny alalan’ny “Arrêté interministérielle N°28 421 /2020 portant ouverture du concours nationale d’élèves gendarmes formant le 76 eme cours”. Nandray ireo roanjato sy arivo (1200) mianadahy tafita hatramin'ny dingana farany, raha roa amby valopolo sy efajato sy arivo (1482) no isan'ireo mpiadina niatrika ny dingana voalohany, ireo manam-boninahitra izay natrehin'ny Jeneraly Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Kaomandin'ny sekolin'ny Zandarimariam-pirenena eto Ambositra, ny Talem-paritry Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy eto Amoron'i Mania, ary ireo manam-boninahitra ambony isan-tsokajiny eto anivon'ny Zandarimariam-pirenena, hoy ny fampitam-baovao omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT