Fandriampahalemana

Sarimihetsika malagasy Nisy nandroba ny Horizon Production


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Omaly alarobia tamin’ny 5 ora maraina no nitrangan’ny vaky trano tao Mahavoky Atsimo-Mahajanga.

Trano ivantanan'ny ekipan'ny tranom-pamokarana sarimihetsika Malagasy Horizon no lasibatry ny jioalahy. Very tamin’izany ny finday miisa fito miampy solosaina entin-tanana iray. Any Mahajanga efa andro vitsivitsy ny ekipan’ity trano mpamokatra sarimihetsika naorin-dRazafindrakoto Gérard izay fantatra tamin’ny solon’anarana Randrenja teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ity, mandrakitra an-tsary sarimihetsika vaovao. Reraky ny “tournage” sa tratry ny fonoka tao fa dia renoky ny torimaso izy rehetra, ny trano nibanaka, ny entana lafo vidy lasan’ny jiolahy. Tsy nisy kosa aina nafoy na naratra.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT