Fandriampahalemana

Sabotsin’Antongona – Imerintsiatosika Manao izay tiany ny andian-jiolahy mpangalatra moto


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Manao antso avo amin’ireo manampahefana sy tompon’andraiki-panjakana ny mponina ao amin’ny fokontanin’i Sabotsin’Antongona – Imerintsiatosika fa mahatsiaro iharan’ny tsindry hazo lena.

Mitaraina ireo mponina fa misy andian-jatovolahy ao anatina tambajotra mpangalatra moto ao an-tanàna ka lasibatra avokoa ireo izay manana, ny moto anefa no fitaovam-pitaterana tena miasa any ambanivolo sady nanatontonan’ny olona maro ny volany ary hiasana ihany koa. Lasibatra hatramin’ny pastera sy ny mompera, hoy izy ireo. Fantatra ireo mpangalatra, nisy ny fitoriana natao efa hatry ny ela saingy ny mampalahelo dia afaka foana ireo ambara fa tambajotran-jiolahy mpangalatra sy mpanao aferana moto ireo. Nisy ny halatra nitranga ny 1 novambra teo ary dia nitory ilay olona. Efa mandeha sahady indray anefa ny fandrahonana sy ny vava be, hoy ireo nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety. « Manaova izay mahasahy anay ! », hoy ireo jiolahy, izay tena mirehareha tokoa raha ny fitantaran’ny mponina any an-toerana. Matahotra sy velon’ahiahy izahay satria tahaka ny fanjakana kely ao anaty fanjakana mihitsy ny an’ireto jiolahy ireto, hoy ireo mponina ao Sabotsin’Antongona ka miantso ny manampahefana mba hijery akaiky ity raharaha ity. Tena Mahagaga, hoy hatrany izy ireo fa hadihadiana ao amin’ny polisy, zandary eny hatreny amin’ny fitsarana ireto jiolahy ireto kanefa dia tafavoaka foana ary mamerin-keloka.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT