Norombahin’ny ekipan’i DAKAR “FTM Manjakaray” ny amboaran’ny Oseana Indiana taranja rugby à XV eo amin’ireo ekipa
tompondaka na ny “TOP 6 de l’Ocean Indien 2019”nokarakarain’ny A.R.O.I. Resiny tamin’ny isa mazava 47 no ho 22 omaly tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny ekipan’ny Cosfa Miaramila avy eto Madagasikara ihany koa. Na dia fifaninanana aty anivon’ny Ranomasimbe Indiana aza ity natrehana ity dia marihina fa samy ekipa Malagasy avokoa no tafita niatrika ny lalao famaranana.
Ireo vokatra hafa tetsy Mahamasina omaly :
“Top Fédéral feminine” : 3FB 17 – 13 RCTS
“MATCH DE DEFI ELITE FEDERAL” : SCB Besarety 20 - 23 TFMA Ankasina
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.