Fandriampahalemana

Rongony mahery vaika Teratany Kameroney tratra tao Nosy Be nitondra 5kg


  • Talata 07 Febroary 2023

Rehefa tsy harem-pirenana toy ny volamena no mivoaka, dia zavamahadomenina mahery vaika no miditra na koa olona no mihitsy miondrana an-tsokosoko.

Fa dia manao ahoana izao sisintanintsika ao Nosy Be ao izao e ? Ny sabotsy 04 febroary 2023 teo izao dia nisy teratany kameroney, mpandeha tamin’ny zotram-piaramanidina ET 837 an’ny Ethiopian Airlines, no tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Nosy Be niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika dimy kilao : 2,250kg héroïne ; 2,350 kg amphétamine ; 1kg méthamphétamine. Nafenin’ilay Kameroney tao anatin’ny kojakojam-piarakodia nentiny ireo zava-mahadomelina ireo. Mety ho efa fanaony io, fa teto izy vao sarona. Raha ny tatitra azo tamin’ireo mpiasan’ny Fadintseranana tao Nosy Be dia niainga avy any Douala, Cameroun ity mpandeha ity ary nifindra tao Addis-Abeba alohan’izao nahatongavany tao Nosy Be izao. Notanana am-ponja vonjimaika moa ity teratany Kameroney ity ary nogiazana kosa ireo zava-mahadomelina. Taorian’ireo tranga maromaro niseho izay no nivoaka ny vaovao fa hametrahana “Brigade Canine” misy irony alika mpitsongo dia ireony, amin’izay ao amin’ny Biraon’ny Fadintseranana ao Nosy Be, izay vinavinaina hapetraka amin’ny volana Marsa 2023 ho avy izao. Ampahatsiahivina fa ny andraikitry ny Fadintseranana dia manara-maso sy misava ny mpandeha, ny entana, sy ireo harem-pirenena eny amin’ny sisintany.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT