Rongony amin’ilay tena mahery vaika na “héroïnes” 40 fonosona tokony 1kg isan’isany no saron’ny sampan-draharaha miady amin’ny fikambana-jiolahy sy ny avy amin’ny Borigady misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny Polisin’ny FIP ao Toamasina omaly tolakandro. Teratany Afrikanina miisa 5 no nitondra azy ireo, niainga avy any Sainte Marie nihazo an’i Toamasina tamin’ny alalan’ny sambokely “El Condor”.
Nigadona tao Mahabo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina ary notsenain’ny fiara tsy mataho-dàlana iray marika Range Rover niloko “gris” na volombatolalaka. Ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité) no voalaza fa niaingan’ny vaovao, ka nampita tamin’ny Ladoany sy ny FIP, ka rehefa nandeha tokoa ny sakana tao Ambalamasy omaly tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro, dia tratra ilay fiara sy ireo zava-mahadomelina. Niezaka nitsoaka nirifatra tamin'ny fiara moa ireo 5 lahy, raha ny fampitam-baovao, saingy diso làlana ka tafiditra tamin'ny lalankely tsy nisy nivoahana tao Antseranampasika. Ny fiara no taraiky teo fa izy 5 lahy kosa tafaporitsaka. Raha atao ny kajikajy dia miteti-bidy any amin’ny 8,5 miliara any ho any ireo “héroïnes”. Raha ny feo nandeha moa dia mety hidina ifotony any Toamasina ny Praiminisitra sy minisitra roa, ary ny Tale Jeneraly vaovaon’ny ladoany anio. Raha io toe-javatra io no jerena dia isan’ny toerana hifamezivezen’ny trafikana zava-mahadomelina i Toamasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.