Tapaka nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fifamoivoizana amin'ny lalam-
pirenena faha-13 miazo an'i Tolagnaro. Nihotsaka ny tetezana iray ao Manambaro nandritra ny fotoana nandalovan'ny fiarabe iray teo amboniny. Hatramin’ny omaly, nihitsoka ao anaty tetezana ilay kamiao. Tsy nisy ny aina nafoy, fa ny fifamoivoizana aloha izany no olana, ankoatra ny fahatapahana goavana. Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny ao anaty tetikasan'ny fitondrana ankehitriny ny hanamboatra ity lalam-pirenena faha13 ity, izay nanambaràn'ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 04 oktobra 2020 tamin’ny kabary fanaony, fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita amin’ity taona 2021 ity ny RN13. Efa nilaza moa izy talohan'izay fa tsy hiverina aty raha tsy vita io lalana io, ka dia miandry izany ny rehetra satria betsaka ihany iza fampanantenana naraina fe-potoana izany, saingy tsy araka izany ny vokatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.