Miisa 11 sahady izay ny trangana fakana an-keriny niseho tamin’ity taona 2018 ity. Nampivarahontsana ny niseho farany teo izay nahavery mpampianatra amina kolejim-panjakana na CEG iray sy ny zanany.
Ny tena nahagaga dia hoe hatramina mpanabe izay mbola malaza amina fanatontosana tolona fitakiana fisondrotan-karama satria hoe kely fidiram-bola amin’izao fotoana avy no mbola sahin-dry zalahy takiana 4 tapitrisa ariary. Manoloana ireny tranga rehetra ireny dia 2 karazana ihany amin’ny ankapobeny ny valin-tenin’ny mpitandro ny filaminana rehefa hakana vaovao dia ny hoe mandeha ny fanadihadiana na koa hoe tsy manome vaovao araka ny tokony ho izy ireo olona niharana na nahita ilay tranga. Inona fotsiny izany no ilana ireo iraka mpanadihady na “agent de renseignement” eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ? Sa rehefa zanaka na vadina minisitra no hisy haka an-keriny vao mety hampihetsika ireny rantsa-mangaika rehetra ireny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.