Fandriampahalemana

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

“Laharam-pahamena ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana » hoy Rtoa Ratsimindriona Aida Hardy, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro.

 

Mirongatra indray ny tsy fandriampahalemana tato ho ato ary toa mihamahery vaika ny herisetra, ny vono olona. Ao anatin’izany no nanaovany antso avo amin’ny mpitondra amin’ny hijerena vahaolana haingana sy maharitra amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny Faritra Anosy iny. Tato anatin’ny enim-bolana voalohany, efa nanao ezaka ny tomponandraiki-panjakana amin’io. Misy ihany anefa ireo kaominina mbola mila hanaovana ezaka manokana. kaominina efatra amin’ireo sivy amby roapolo mandrafitra ny distrikan’i Taolagnaro no tena miaina ao anaty asa ratsin’ny dahalo amin’ny halatra omby, araka ny fanazavany. Voatery matory any an-tsaha ny vahoaka noho ny tahotra ireo dahalo, hoy ny fanazavany. Miiafara amin’ny fitifirana mihitsy io raha misy fanelingelenana azy ireo, hany ka raiki-tahotra ny vahoaka. Ankoatra ny halatra omby, lasibatra amin’ny vaky fasana ihany koa ny vahoakan’i Taolagnaro. Araka ny antontan’isa nomen’ity depiote ity, dia mahatratra folo isan’andro ny fasana vaky nanomboka ny volana janoary no ho mankaty. Mampalahelo fa rehefa misy ny vaky fasana dia ny lohany sisa no tavela. Na ny razana lena aza avoakan’izy ireo ivelan’ny fasana”, hoy ihany izy. Ny olana anefa, lavitra ny tanàna no misy ny fasana ka roa andro aty aoriana ny tompony vao mahafantatra. Ao koa ny faharatsian-dalana. “Sakana amin’ny fampandrosoana ny lalana ratsy satria tsy afaka mifamezivezy ny vokatra”, hoy izy. Nitondrany fisaorana manokana ny mpanatanteraka izay nampanantena ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-13A.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT