Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava, Andrefanambohijanahary,ny tomban’ny zava-nitranga nandritry ny volana jolay teto Madagasikara, ny avy eo anivon’ny fitantanana ny fandriampahalemana sy ny fampahalalam-baovaon’ny zandarimaria, tarihin’ny kolonely Zafisambatra Ravoavy omaly.
Nifantoka tamina zavatra miisa 4 ny tatitra dia ny resaka fakana an-keriny niisa 9 naha lasibatra olona miisa 16, ny asan-dahalo niisa 118 nahavery omby miisa 6.000 teo. Raha ny fanamarihana moa dia efa tafaverina ny omby maherin’ny 3.000 ary olona miisa 145 no efa nosamborina sy natolotra ny fitsarana. Nisy asan-jiolahy niisa 88 ihany koa tamin’iny volana iny ary noresahana farany moa ny fepetra horaisina mba hiatrehana fifidianana am-pitoniana. “operation” miisa 9, hoy ny fanazavana, no efa mandeha amin’izao fotoana izao any amin’ireo faritra mafampana indrindra. Nampiana 350 isa ireo zandary nalefa nanampy any ary vao ny alarobia teo no nisy 60 isa niainga indray. Efa hampiana ihany koa ny fanetsehana ireo fitaovana fanaraha-maso toy ny angidimby.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.