Fandriampahalemana

Raharaha hala-jaza tany Toamasina Tsy mitovy hevitra indray ny polisy sy ny fitsarana


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

“Tsy heloka velively ny fanomanana tsy mbola tontosa amin’ny hala-jaza, tsy misy ray aman-dreny nametraka fitoriana ihany koa tamin’izy ireo na tamin’ny polisy milaza ny fahaverezan-janany,

 

 teto Toamasina ihany koa tsy nahenoana fahaverezana zaza, ary tsy nahitana zaza halatra ihany koa tamin’ireo olona enina voarohirohy ireo”, izay no nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Lauret Rajaonah Thierry, raha nanontany azy mikasika ny famotsoran’ny fitsarana ireo olona enina mianadahy ny mpanao gazety.

 

Noterena ?

 

Nandritra io fihaonana tamin’ny tonia mpampanoa lalàna io ihany koa anefa no mbola nohamafisiny fa “tsy niatomboka ny halatra zaza nataon’ireto olona voarohirohy ireto ka tsy misy ny heloka vitan’izy ireo, ny fanadihadian’ny mpitsara nitazona ny antontan-taratasy ihany koa nanamarika fa noteren’ny polisy hanaiky ny heloka tsy nataony izy ireo nandritra ny fakana am-bavany azy ireo”. Ho an’ny talen’ny polisy anefa dia efa ampy ho porofo entina hanitarana ny fanadihadian’ny fitsarana ny porofo tamin’ny sms nomen’ny polisy, izay zon’ireo mpitsara ny manome baiko indray ny polisy manamafy ny fanadihadiany raha tsy ampy ny nalefa teo amin’izy ireo. Ny tonia mpampanoa lalàna ambony Andriamihangy Georges Florence izay lehiben’ny fanenjehana sy ny filaminana ao Toamasina kosa nilaza mazava fa tsy nahalala ny raharaha mihitsy satria tsy nisy ny tatitra azony na tamin’ny polisy izany na tamin’ny mpitsara namany. Efa nisy fifandirana teo amin’ny zandary sy ny fitsarana tao Toamasina tamin’ilay raharaha fitorahana fiara teny Brickaville tamin’ny taon-dasa. Izao indray dia ny polisy sy ny fitsarana no tsy mitovy hevitra amin’ny raharaha hala-jaza ary miverimberina foana ny hoe noterena hanaiky ny heloka tsy nataony ireo olona voarohirohy. Fotoana angamba izao hanokafana fanadihadiana lalina fa misy zavatra tsy milamina ao Toamasina ao.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT