Tany amin’ny Faritra Menabe, Belo Tsiribihina sy Morondava, ny praiminisitra Ntsay Christian nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny mponina ny faran’ny herinandro teo.
Ankoatra ny fijerena ifotony ny zavatra tena manahirana amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina dia nanazava ny lehiben’ny governemanta fa ny fanatanterahana ny fifidianana no hany lalana hivoahan’ny firenena amin’izao fotoan-tsarotra andalovana izao. Mitondra fomba fiasa vaovao ny governemanta hametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana, mba hahatsapana fa misy tokoa ny fiovana eto amin’ny firenena, hoy izy. Ny fisian’ny fandriampahalemana ihany koa, hoy ihany ny praiminisitra, no mampiroborobo ny fizahantany, izay singa iray entina manarina ny toekarena. Hentitra ny praiminisitra raha nilaza fa tsy ekena intsony ny fitsaram-bahoaka ka tokony hapetraka ny fitokisana amin’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana amin’ny Faritra, saingy horaiketina amin’ny antontan’isa kosa ireo trangana asan-dahalo, hanaraha-maso sy hanaovana tombana amin’ny vokatry ny asa vitan’ireo tompon’andraikitra ireo. Ao anatin’izany moa dia efa miezaka ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana fitaovana. Momba ny fizahantany kosa dia tokony hitsahatra ny fifaninanana tsy ara-drariny eo amin’ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany, hoy ny praiminisitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.