Fandriampahalemana

Posy sy sarety tsy manara-dalàna Miditra “fourrière” avy hatrany


  • Zoma 01 Jona 2018

Mitombo isa isan’andro tato ho ato ireo posy sy sarety mandeha amin’ny ora voarara eto an-drenivohitra.

 Anisan’ny toerana tena ahitana azy ireny betsaka ny eny Anosibe, Anosizato, lalam-baovao boulevard de l’Europe izay marihina fa tena miteraka fitohanana goavana tokoa. Tsy mipetra-potsiny anefa ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana izany. Raha ny fanadihadiana natao dia efa niasa nanomboka ny talata lasa teo ny sampandraharaha misahana izany manenjika ireny posy sy sarety tsy manara-dalàna ireny. Telo sahady no tratra teny amin’ny lalam-baovao  tao anatin’ny indray andro izay voatery nampidirina fourrière eny Anosipatrana avokoa. Mbola hitohy hatrany ny hetsika hahafahana mandamina sy mandrindra ny fifamoivoizana eto amintsika.  Raha tsiahivina, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 7 ora hariva dia tsy afaka mandeha ireo posy sy sarety eto an-drenivohitra. Ho an’ireo polisy kaominaly manokana izay manampy amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto amintsika  dia fantatra fa efa miroso amin’ny fanentanana sy ny fampianarana ireo mpitarika posy sy sarety  eto an-drenivohitra izy ireo ankehitriny mialoha ny tena hampiharana ny lalàna.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT