Fandriampahalemana

Polisy ao Toamasina Hanao “Opération” mpanendaka sy mpangaro-paosy


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

“Mila mifety ao anatin’ny filaminana ny vahoakan’i Toamasina, koa tsy mandefitra amin’izay mpitandro ny filaminana tsy mahavita mametraka izany amin’izao fiatrehan’ny vahoaka ny tsingerin-taona ny fahaleovantena Malagasy izao ny fanjakana”, hoy ny prefen’i

 

 Toamasina Benandrasana Cyrille, araka ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity niompana amin’ny fandrosoana sy ny filaminam-bahoaka ary ny fisandratana. Vokatr’izay dia samy nandray ny tandrify azy ny samy mpitandro ny filaminana. Ho an’ny polisy ao Toamasina dia nisy mihitsy ny “operation” mpanendaka sy mpangarom-paosy ary mpamaky trano amin’ny fampitomboana ny fiaraha-miasany amin’ireo andrimasom-pokonolona. Noho izany dia efa betsaka ny tratran’izy ireo ambodiomby sy efa miandry fitsarana am-ponja vonjimaika, nefa mbola betsaka koa ny ezaka atao noho ny firongatry ny fidorohana sy fivarotana rongony any an-toerana, izay saika renim-pianakaviana no tena mpibizina sy mpamongady izany. Raha ny fiatrehana ny fetin’ny tsingerin-taonan’ny fahaleovantena kosa dia efa nanomboka ny sabotsy ny hetsika samy hafa ara-kolontsaina sy ara-mozika, izay andraisan’ireo tarika avy ao Toamasina sy ny fahaiza-manao isam-paritra ho mariky ny firaisankinan’ny Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka mandritra ny hetsika rehetra eny amoron-dranomasina kosa ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpiambina tsy miankina.

 


Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT