Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Tezitra amin’ny fanjakana…


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Samy mpitandro filaminana no hanasokajiana ny polisy sy miaramila ary ny zandary. Manana ny satana “fonksionera” kosa ny polisy raha sokajiana ho “militaire” kosa ny miaramila sy ny zandary.

Mifameno ny asan’izy ireo, ary tsy misy azo hamaivanina dia ny fitandroana ny filaminana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ka ny tanàn-dehibe no tena iandraketan’ny polisy, raha toa ka misandrahaka any ambanivolo kosa ny miaramila sy ny zandary amin’ny ankapobeny. Na tsy mampiseho izany mivantana aza, dia mahatsiaro ho tratry ny ankilabao ny polisy eto amintsika ankehitriny, ary raha vantanina ny resaka dia tezitra amin’ny fanjakana. Tsy dia nisy fijerena firy ny karama fa tamin’ny fitondrana Ravalomanana no tena nisy fisondrotana azo tsapain-tanana farany, hoy ireo nanaovana fanadihadiana. Be loatra ny kolikoly fidirana mpianatra polisy, olona ambony no atidoha. Misy amin’ireo tranainy no voadingana amin'ny fampiakarana grady. Anisan’ny alahelon’ny polisy ny fanasoketana ho mpanotra sy mpanao kolikoly ny polisy, ka nanajanonana ny PR (Police Routiere).  Nibanaka avy eo ny arabe sy ny fifamovoizana. Afaka nanao trafika tsara ireo mpanao izany. Tsy misy mpisava tsinona. Nisy ny fanesorana ny asa fanomezana pasipaoro niandraketan’ny polisy, izay tsy nahafaly azy ireo. Tetsy an-kilany kosa, dia tsy takona afenina fa tsara karakara ny miaramila sy ny zandary na dia fantatra izao aza fa maro amin'izy ireo no miray tsikombakomba amin'ny jiolahy sy mampanofa basy sy bala. Tsaroana rahateo, raha ny ara-tantara fa ny miaramila no nanampy ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana tamin’ny fandrombahana fahefana tamin’ny alalan’ny basy aman-tafondro ny taona 2009, ka asa na tambiny tamin’ireny ny hanaovana tsara karakara na fifandrifian-javatra fotsiny ihany. Ny polisy ihany anefa no antsoina andro aman'alina manenjika jiolahy avy eo. Misy fahasosorana any anaty tobin'ny polisy any ary efa niseho kely izany tamin'ilay fijoroan'ny sendika ny volana febroary teo. Tsy mbola afa-po amin'ny famahana ny olana izy ireo hatramin'izao fa miandry fotsiny aloha satria manana sata tsy afaka manao fitokonana rahateo ny polisim-pirenena. Marina fa manana sata tsy mahazo midina an-dalambe ny polisy kanefa tena hikorontana eto raha ny polisy no mihetsika eo ary ho sahirana ny fanjakana. Atahorana koa ny hoe hifandrafy ka hiady mihitsy ny polisy sy ny zandary na ny polisy sy ny miaramila. Efa somary hita taratra io amin’ny raharaha samihafa, toy ny fahatraran’ny avy amin’ny ankolafy an-kilany ny toy ny hoe: zandary voasambotry ny polisy noho ny raharaha asan-jiolahy, na koa polisy voasambotry ny zandary,…    

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT