Manamboninahitra ambony miisa roa avy ao amin’ny polisim-pirenena nitana andraikitra goavana no noesorina tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo.
Voalohany ny Commissaire Divisionnaire Tsaramonina Ravony izay tsy commissaire central etsy Tsaralalana intsony manomboka izao. Ny Commissaire Principal de Police Andrianalison Haminiaina niasa teny Tanjombato hatrizay no hisolo toerana azy. Nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny Commissaire Divisionnaire Tolozara Ruphin, lehiben’ny PAF na ny polisin’ny sisintany teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Ny Commissaire Mandimbilaza Mahandry Andriampanohana, lehiben’ny departemanta misahana ny ady amin’ny hosoka eny amin’ny fadin-tseranana teo aloha no hisolo toerana azy. Re fa tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena izao fanapahan-kevitra izao. Azo adika ihany koa anefa fa fanadiovana satria departemanta nandrenesana resaka maro ireo voatonona ireo na dia teo aza ny asa tsara vitan’izy ireo. Tsy maintsy misy moa ny fifandimbiasam-pahefana sy fifamadihana andraikitra amin’ny raharaham-panjakana. Heno fa misy ihany ny fimenomenonana eo anivon’ny polisim-pirenena noho ity fanapahan-kevitra ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.