Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

 

 ny DPJ (Direction de la Police Judiciaire) ary ny DIGS (Direction de l’Inspection Générale des Services). Voatendry ho eo amin’ny toeran’ny Directeur des Ressources Humaines ny Commissaire Divisionnaire de Police Rakotomavo Roger Henri nisolo toerana ny Contrôleur General de Police Rajaonarison José Andrianasolo. Voatendry ho Directeur de la Police Judiciaire ihany koa ny Commissaire Principal de Police Seraly Hercule nisolo toerana ny Contrôleur General de Police Andrianirina Alain Bruno. Ary voatendry ho Directeur de l’Inspection Générale des Services eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka kosa ny Commissaire Principal de Police Randrianirina Manahy nisolo toerana ny Commissaire Principal de Police Rakotondrasoa Jean de Matha. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’ireo tale dia naneho fisaorana ireo mpiara-miasa aminy izy ireo ary nitso-drano sy nankahery ireo voatendry amin’ny adidy sy andraikitra vaovao hosahaniny. Nandray fitenenana nisolotena ireo vao voatendry kosa ny DRH, ny Commissaire Divisionnaire de Police Rakotomavo Roger Henri ka fisaorana no nomeny ny fitondram-panjakana nanome fitokisana azy ireo ka nanendrena azy ireo tamin’izao toerana izao, ary narahina fanomezan-toky amin’ny hanohizana ny ezaka efa vitan’ny teo aloha sy hitondra fanatsarana kokoa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT