Tao anatin’ny 5 andron’ny tranga voalohany dia efa tafakatra avo folo heny ireo olona naiditra hopitaly fa mararin’ny pesta ao Fenoarivo atsinanana faritra Analanjirofo.
Amin’ireo 21 marary dia ny 17 mararin’ny pesta amin’ny tratra, ny 4 kosa pesta atoditarimo, araka ny fanazavana azo tamin’ny komitin’ny pesta any an-toerana. Omaly talata fotsiny dia efatra ireo naiditra hopitaly noho pesta nahazo azy, ka ny telo pesta amin’ny tratra ary ny iray pesta atoditarimo. Ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina amin’ireo kaominina sy distrika manodidina saro-dalana, tahaka ny any Mananara avaratra sy Maroantsetra ary Sainte-Marie, dia misy ny fepetra noraisin’ny komity amin’ny fametrahana barazy ara-pahasalamana, izay hisian’ny fizaham-pahasalamana sy fandrarahana fanafody atao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.