Fandriampahalemana

Paraky, Namontana, Marais Masay Mirongatra ny asan-jiolahy


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Tsy an-tsaha tsy an-tanàna ny tsy fandriampahalemana fa saika manerana ny Nosy.

 

 

 

Asan-jiolahy maromaro samihafa no niseho tamina toerana samihafa teto an-drenivohitra ho an’ny omaly. Tokony ho tamin’ny 5ora hariva teny Masay, dia novakian’ny jiolahy nitondra “moto scooter” ny fiara iray nisintonany ny poketrana sinoa vavy nakana ny vola taoriana. Tokony ho tamin’ny 7ora sy fahefany ihany omaly hariva, dia nirefodrefotra ny basy teny Sonierana-Paraky, ka dimy lahy nirongo basy Kalaky sy PA no nanafika “épicerie” miisa efatra. Tao anatin’ny 15 minitra monja no nanaovan’ireo olon-dratsy ny fanafihana ireo tranombarotra ireo, ary nitohy teny Namontana izany, raha ny angom-baovao. Tena sahy ary ampy fitaovana ireo olon-dratsy. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana na aiza na aiza aleha, izay midika aloha fa tsy mahomby ny fanjakana. Miverina hatramin’ny fakana an-keriny satria vao ny takarivan’ny 13 janoary teo tany Antsiranana ny teratany Indo-Pakistanais iray antsoina hoe Habib Zafarhoussen 42 taona, ary tsy fantatra hatreto izay misy azy. Houssen Kintana no fahalalan’ny maro azy ary mpandraharaha sady tompon’ny orinasa Kintana any Antsiranana.  Mitana ny toeran’ny « Consul honoraire » an’ny firenena Aostralianina eto amintsika ihany koa izy, izay tsiahivina fa nobedaina efa-dahy mitam-basy  teny amin’ny rue Colbert ao Antsiranana. Tsy mbola propagandy dia efa nanao atrikasa sy te hampiseho fa hahavita azy ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, ka ho hita izay hafitsony amin’ny fampiasana angidim-by 10 sy fiara mandeha amin’ny tendrombohitra sy anaty rano,... ka tena hahavaha olana ve ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT