Fandriampahalemana

Omby 900 lasan’ny dahalo Mitazam-potsiny ny fanjakana


  • Talata 07 Aogositra 2018

Ny dahalo ve no fanjakana sa ny fanjakana no dahalo ? Izay no toreon’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny omby manoloana ny asan-dahalo mirongatra amin’izao fotoana.

 

Omby avy any amin’ny distrikan’i Manja hoentina hamidy ao Antsirabe no lasan’ny dahalo 400 lahy, mitam-basy kalaky sy Mas36, teny an-dalana tao anatin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana ny 10 mey 2018. Ny 108 tamin’ireo ihany no tafaverina hatramin’izao na nanao ny ezaka rehetra nitaraina tamin’ny manampahefana sy mpitandro ny filaminana aza izahay, hoy ireo tompon’omby miisa dimy. Fantatra ny misy ireo omby ireo amin’izao ary efa nampahalalana ny manampahefana hanao izay hakana ireo ombinay ireo nefa tsy misy mihetsika, hoy ny fitarainan’izy ireo. Iza no azonay itokisana, iantsampazana fa tsy voaaro intsony ny aina sy ny fananana amin’izao ? Tamin’ny aogositra 2016 dia omby nanodidina ny 860 isa niala avy ao Antsalova no nanjavona teny an-dalana nony tonga tao Ankavandra. Nitory, nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana, nitaraina hatreny amin’ny primatiora ireo mpandraharaha tompon’omby fa tsy nahita mangirana. Ritra ny omby, potika ny toekarena. Mbola misy fanjakana ve eto ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT