Fandriampahalemana

Olan’ny fanjifana ao Betafo Antsirabe Miandry famahana olana malaky


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Tsy mbola nahitana valiny hatreto ireo fitakiana ny famahana ny olana mianjady amin’ny mponin’i Betafo Antsirabe eo amin’ny sehatry ny fanjifana, hoy Atoa Ratiariniaina Jean Theobert na Ra-Theo Fibemih mpandrindra ny Vondrona mpiaro ny Zo sy ny tombontsoan’ny mpanjifa na Garduc Madagascar Faritra Vakinankaratra izay miasa ao Betafo. Voalohany :

ny TVM izay efa tsy nandeha an-taonany maro izay dia mba  nandeha ihany tamin’ny fotoana nandalovan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana tamin’ny herin-taona tamin’ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny FLM Betafo nefa avy eo dia tapaka tanteraka  indray. Efa nanaovana fanangonan-tsonia natolotra ny Tale Jeneralin’ny TVM Nasionaly nefa dia tsy nisy valiny ihany hatramin’izao. Hitarainan’ny mponin’i Betafo tanteraka izany satria manana zo hanara-baovao izy nefa tsy manana fahefa-mividy hanana Canal Plus. Faharoa  ary tena olana lehibe ao an-tanànan’i Betafo amin’izao dia ny fitantanana ny rano fisotro madio izay lasa orinasa tsy miankina izay tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany sy ny vola miditra aminy no misahana azy  raha ny Kaominina no niandraikitra teo aloha.  3 000Ar isan-tokantrano isam-bolana no vola naloa teo aloha dia lasa an’aliny sy misy ana hetsiny mihitsy amin’izao. Malahelo ny mponina satria lasa tompony mangatak’atiny, rano izay azy teo aman-taonany tsy mba nisy olana hatramin’izay no lasa vidiany lafo, ka lasa iafiany sy ijaliany. Any amin’ity Vondrona Mpiaron’ny Zon’ny Mpanjifa ao Betafo ity sisa no ataon’ny mpanjifa satria ireo tompon’andraikitra sy ny solontenam-panjakana isan-jokajiny ao an-toerana dia tsy nisy nandray andraikitra nahakasika izany fa dia ny tombontsoan’ireo mpitantana ny rano hatrany no narovan’izy ireo.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT