Fandriampahalemana

Ny tanora sy ny tsy fandriampahalemana Nafana ny adihevitra teny Antaninarenina


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Tsy misy tanora afaka mandroso raha tsy misy fandriampahalemana. Io amin’ny ankapobeny no nambaran’ireo tanora tonga tetsy Antaninarenina nanaraka ilay adihevitra mikasika ny tanora sy ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika, nokarakarain’ny fikambanana Observatoire de la jeunesse omaly.

 

 Nizarazara be ihany ny hevitra nivoaka. Tao ireo nilaza fa ny fandraisana sy ny fidorohana  zava-mahadomelina eo amin’ny tanora no mampisy tsy fandriampahalemana eto amintsika. Misy ihany koa ireo nilaza fa noho ny tsy fananan’asa raha nisy koa ireo niteny fa vokatry ny fahantrana.  Ny hahitana  marina izay fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika moa no anton’ny adihevitra izay ezahina hatolotra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa misy fehin-kevitra tapaka. Ho an-dRazafitsiandraofa Jean Brunelle, solombavambahoaka voafidy tany Ikongo izay nandray anjara tamin’ity adihevitra ity dia anisan’ny fototra tsy hahafahan’ny tanora mivelatra  ny tsy fisian’ny fandriampahalemana satria takona ny lalan-kizorany rahampitso.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT