Fandriampahalemana

Notafihin’ny dahalo i Antanetibe Anativolo Nirefodrefotra ny basy, lasa ny 100 tapitrisa Ariary


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Notafihana andian-dahalo maro indray ny tampon-tanànan'Antanetibe Anativolo ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly 09 novambra.

 Teo amin’ny 12 ora sy sasany alina no nirefodrefotra ny basy nanakoako eraky ny tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona. Tamin’ny 2ora sy fahefany vao nivoaka ny olona. Nanara-dia ny olona, saingy tsy tena mbola misy vokany aloha, raha ny vaovao vonjimaika. Na ny trano nisy ireo zandary rehetra aza dia voalaza nambenan'ireo dahalo, izay tsy fantatra mazava ny an-tony. Eny, hatramin'ny tranon'ny delegem-panjakana izay nampiantrano mpampandri-tany, aza dia voahodidina dahalo ka tsy afa-nanoatra ireo zandary, hoy ny vaovao. Volabe 100 tapitrisa Ar no voalaza nalain’ireo dahalo. Ny tena mampalahelo, hoy ny fampitam-baovao iray, dia vehivavy lehibe iray mipetraka eo anilan'ny FJKM Antanetibe Finoana, no lasan'ny dahalo natao takalon'aina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Manao antso avo amin' ny mpitandro ny filaminana any an-toerana sy ny fanjakana mahefa ireo mponina ao amin'ity kaominina ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 30 septambra lasa teo, dia nisy ny disadisa teo amin’ny mponina sy ny zandary tao Antanetibe Anativolo noho ny raharaha fahafatesana lehilahy iray. Efa nilamina ny momba iny raharaha iny, nandeha ny famitranam-pihavanana,… saingy io nisehoana asa ratsy goavana io indray tany an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT