Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny olona iray fantatra tamin’ny anarana hoe Lala Ratinahery Gonçalves tany Nosy Be.
Novonoina ary nalevina teo an-tokontany ambanin'ny trano izay nipetrahany. Araka fanadihadiana izay natao dia namany akaiky azy no namono nahafaty azy, ary tsy vitan’ny famonoana tsotra fa mbola notaterina tamin'ny kamio 2 ihany koa entana tao an-tranony, hoy ny vaovao azo. Efa manao ny asany ny mpitandro filamanana sy ny vahoaka amin'ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.