Fandriampahalemana

Norobaina ny vola 124 tapitrisa ariary Novonoina sy nalevina teo an-tokontany ilay Sinoa


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Nanomboka ny 14 martsa hifoha ny 15 martsa no tsy hita sy tsy azo tamin’ny antso an-tariby ny mpandraharaha sinoa iray mpivarotra “balle friperie” monina ao Ambohijafy Toamasina

 

 

 

. Nametraka fitarainana ny havany ny 16 martsa. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa vola 124 tapitrisa ariary no very tao amin’io sinoa io. Hita faty tao anaty lavaka tao amin’ny faritry ny tanànany ihany omaly 28 aprily izy io. Ireo mpiambina 2 ihany no voalaza fa nanao ny famonoana, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Nosamborina tany akaikin’i Vatomandry kaominina iray any anaty ala fa tsy amoron-dàlana ny mpiambina iray ny 4 aprily ary mbola nahatrarana volabe sy fitaovana novidiana tamin’ny vola azo noho ny fandrobana niharo vono olona mahatsiravina. Vokatry ny fanadihadiana sy famotorana ny mpiambina iray no voalaza fa nanoroany ny toerana nandevenana ity sinoa ity, izay tena efa simba sy potika ny razana tamin’ny famongarana natao omaly. Telo no fitambaran’ireo efa voasambotra, ka ny iray efa tazonina any am-ponja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT