Fandriampahalemana

NISY NANAFIKA NY LOOKS


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nisy nanafika ny looks etsy Andravoahangy. Saingy voasambotra io farany rehefa nisy nahita fa basy kilalao no nampiasainy.

Nosamborin’ny mpiasa tao avy hatrany ary niantsoana polisy dia notazomina nanomboka teo. Efa nidoboka am-ponja ity olon-dratsy izay nanambana basy kilalao ny mpitam-bola tao amin’ilay toerana ity. Mitady fomba hatrany ny jiolahy hanatontosana ny asany ary tsy vitan’izany fa mirongatra izy amin’izao ankatoky ny fety izao. 

 

MAMPIJALY NY RANO

 

Tsy ny jiro ihany no olana fa ny rano koa. Omaly teny amin’ny faritr’i 67ha avaratra atsinanana, Isotry dia tsy nisy rano nandeha mihitsy ary dia sady tsy nisotro rano ny olona no tsy nisasa hatramin’ny hariv’andro. Ireo izay tsy nanam-bola hividianana rano fisotro dia tena nijaly tanteraka satria 1500 ariary ka hatramin’ny 2 000 ariary ny iray bidon nalaina teny akaikin’ny Cenam ary mbola filaharana be. Izany rehetra izany dia tsy mba nisy fampilazàna mialoha avy amin’ny Jirama, orinasam-panjakana izay halam-bahoaka tanteraka ankehitriny.


KAOMININ’I TOAMASINA

 

Nohorakorahin’ireo mpiasa izay mitokona eo anivon’ny kaominina Toamasina ny mariazin’ny zanaky ny Ben’ny tanànan’i Toamasina. Ireo mpiasa ireo dia mbola tsy nandray karama efa amam-bolana maro. Tsy zakan’izy ireo ny nijery ilay mariazy makotrokotroka izay natao tao amin’ny toerana izay nanaovana ny fitokonana ary tsy iza fa ny rain’ny hatao mariazy ihany no tompon’andraikitra voalohany hiantefan’ny fitakiana. 

SAIKA VOATAFIKA INDRAY NY MPITANDRO FILAMINANA

 

Saika norotahitan’ny olona indray ny biraon’ny mpitandro ny filaminana tao Anahidrano, tanàna iray ao Port-Bérgé. Ny anton’izany dia ny fitakiana fitsaram-bahoaka amin’ny olona izay notazomina tao amin’ny polisy. Voarohirohy ho dahalo mpangalatr’omby ilay olona ary voasambotry ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Voatery niditra an-tsehatra ny olom-boafidy rehetra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fitsaràna tao an-toerana vao nilamina ny raharaha. MD avy hatrany ilay jiolahy. 

 

 



NOGIAZANA ILAY SAMBO

 

Nogiazana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo Flying ary notazomina koa ny olona tao anatiny. Miisa 15 ireo farany ary isan’izany ny mpanamory sy ny tantsambo hafa. Tonga tany ny governemanta nijery akaiky ny raharaha. Natao ny fisavàna saingy tsy nahitàna na inona na inona aloha hatreto mampiahiahy. Na izany aza anefa, efa nifanenjehana ity sambo piraty ity vao azo ary misy olona mitam-basy maro tao anatiny. 

FANENDAHANA ERAK’ANTANANARIVO

 

Mirongatra tanteraka ny asa fanendahana erak’Antananarivo. Isan’ny nanaitra izay nahafantatra ny fisian’ny mpanao rugby fanta-daza izay voaendaka teo Analakely ary tsy nisy na inona na inona intsony teny aminy. Ny mpanao baolina lavalava izany anefa dia isan’ny tsy misy sahy mikitika eto an-drenivohitra ary koa hajain’ny mpanendaka satria misy amin’izy ireo koa no manao izany asa izany.  Tsy an-kifidy intsony ankehitriny. 

 

 

 

 

 

 

 



FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

 

Sempotra tanteraka Antananarivo ary tsy mbola misy vahaolana hatreto ny momba ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny olana aza dia mainka koa ny olona mamoaka ny fiarany avokoa na dia efa mahafantatra ny hanjo azy aza. Tsy mampihemotra azy ireo rahateo ny vidin’ny lasantsy izay miakatra tsy an-kijanona. Mitombina tanteraka ny hoe toa ny olombelona resy amin’ny fiainana izany rehefa tsy mandeha fiara eto Antananarivo. Dia izao ny vokany, sempotra ny tanàna!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT