Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny Marais Masay omaly manodidina ny tamin’ny 3 ora tolakandro mahery kely noho ny fanenjehan’ny polisy ny 2 tamin’ireo gadra tamin’ireo 5 tafatsoaka ny fonjan’Antanimora ny alin’ny sabotsy 7 hifoha 8 oktobra 2017,
izay tsy afa-niala intsony saingy mbola nihevitra ny hitsoaka. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) na ry Sakamainty nandritra ny sakoroka, ka maty tao anatin’ny poa-basy tsy nifandrenesana izy roalahy ireo, dia Rajoelina Christian Tanteraka sy Randriamparany David Rolland. Ny iray maty nitsitra teo amin’ny arabe, ary rotiky ny bala tanteraka. Ny iray kosa mbola nitsoaka nitsoraka tao anaty rano, saingy tratry ny tifitra variraraka nataon’ny polisy ihany koa. Resaka fakana an-keriny tany Toamasina no nanagadrana azy ireo, saingy tafatsoaka ny fonja, ary izao maty izao. Tonga teny an-toerana mihitsy ny mpamonjy voina nikaroka ny razana. Raha ny fampitam-baovao avy amina mpitandro filaminana iray, dia efa hatry ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma ireo olon-dratsy ireo no nahazoana loharanom-baovao sy narahi-maso, ka izao lavo izao. Nihorohoro tanteraka ny iray tanàna nandritra ny sakoroka sy ny tifitra tsy an-kitsitsy, ary nikatso nandritra ny fotoana naharitra mihitsy ny fifamoivoizana. Ankoatra azy ireo moa dia tsiahivina fa ny alahady 11 martsa lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no voasambotra teny Tanjombato ny iray niara-nitsoaka tamin’izy ireo rehefa nisy ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo, ka raha izy nivoaka avy ao an-tranon’olona no tra-tehaka. Saika hisambotra basin’ny mpitandro filaminana, saingy voatifitry ny teo amin’ny tongony. Voatery notsaboina tamina hopitaly lehibe iray teto an-drenivohitra, saingy maty ny harivan’io tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Ho an’ireo nitsoaka an’Antanimora alin’ny 3 febroary, kosa dia tsiahivina, fa voasambotra teny Ambohidratrimo ny iray antsoina hoe Raharijaona Solofoniaina, ary teny teny Malaza Ampitatafika kosa no tsy afa-nitsoaka intsony, fa nobedaina tao an-tranon’ny sakaizany Rakotoniaina Henintsoa Raphalque.
Nandriaka ihany koa ny rà any Mahajanga
Raikitra ihany koa ny sakoroka tany Mahajanga omaly, ka jiolahy 2 isan’ireo nanafika ny Microcred tao Mahabibo afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany no rotiky ny balan’ny balan’ny polisy satria nanohitra. 7 kosa tratra sambo-belona, izay vehivavy ny iray. Tsiahivina fa vola 2 na 3 kitapo teo lasan’ireto olon-dratsy tra-tehaka noho ny ezaky ny polisy ireto. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny vola tapa-gony sy fitaovam-piadiana mahery vaika miisa 6 be izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.