Fandriampahalemana

Niantehitra tamin’ny odigasy Dahalo iray lavon’ny zandary


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Tsy mitsahatra ny asan-dahalo any amin’ny faritra Bongolava.

 Tsy milavo lefona ihany koa anefa ny zandary fa manao izay ho afany. Ny faran’ny herinandro teo, dia nisehoana fanafihan-dahalo tany amin’ny kaominina Ankerana Avaratra, distrikan’i Tsiroanomandidy. Tsy nanaiky lembenana anefa ny zandary fa nifampitana tamin’izy ireo, ka raikitra ny fifandonana, ary nandritra izany no nahalavo ny dahalo raindahiny iray. Nahatoky sy niantehitra mafy tamin’ny herin’ny moara sy ny odigasy nampiasainy io dahalo io, ary nieritretra ny tsy ho faty sy tsy handairan’ny bala, kanjo lavon’ny zandary. Anisan’ireo raindahiny ny tenany matoa sahy nifampitana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Mampahery vaika ny dahalo ny fananany fitaovam-piadiana, ary matetika no andrenesana olona ambony mamatsy azy ireo, saingy toa efa tambanjotrana mafia mafia mihitsy ireo dahalo ambony latabatra, ka tsy mba voakitika fa ireo irakiraka hatrany no manefa. Nalaza, ohatra, ny fahatrarana vovoka akora simika “Chlorure de sodium” 210kg tany Betroka ny volana septambra, izay olona ambony avy any an-toerana no voalaza fa tompon’antoka. Nanamafy izany mihitsy ny tompon’andraikitra iray avy any an-toerana, fa olona akaiky ny fitondrana no tao ambadika. Raha ny fanampim-baovao nomeny hatrany, dia hahavitana 70 bala ny iray “madco” amin’io akora simika io, ary bala ana hetsiny maro no mety ho vita raha tsy sarona. Tsy vao izao anefa no nisian’ny asan-dahalo, ary inoana fa anisan’ny tena nampahery vaika izany ity aferana akora famokarana bala ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT