Voasambotry ny Polisy niaraka tamin'ny « auto radio » avy nangalariny ny
tovolahy iray taorian'ny antson'ny fokonolona nahita azy namaky fiara iray izay mipetraka amoron-dalana tetsy Nanisana omaly. Mbola tratra teny amin'ity tovolahy ity ihany koa ireo fitaovana entiny mamaky fiara. Nankasitraka ny fanampian'ny fokonolona tamin'ny antso fanairana ny manodidina ka nahafahan'ny Polisy nahita sy nanenjika ity tovolahy ity moa ny CSP 8 Analamahitsy, izay sampan-draharahan’ny fitandroana ny filaminana eny an-toerana. Nanentana hatrany ireo rehetra mivoaka ny trano mba ho mailo hatrany fa ny ratsy tsy kely moa ny polisim-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.