Fandriampahalemana

Na an-tsaha, na an-tanàna Manao izay tiany ny jiolahy


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Ny jiolahy no manjaka eto na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, manjaka ny halabotry sy ny fanafihana mitam-piadiana na an-tsaha na an-tanàna. Ny kely hanana lasa,

 

 

 

 ny mpanana be moa izany dia efa mitaintain-dava. Samy tsy misy milamina, ary miaraka amin’ny fandatsahana aina sy fanolanana. Tsy an-kitsitsy intsony, tsy vitan’ny mangalatra sy mandroba fa tena mandatsaka aina. Ny rongony sy ny zava-mahadomelina samihafa moa io miparitaka be io. Ny politikam-panjakana momba ny famoronan’asa tsy ampy, hany ka betsaka ihany koa ny olona midonanam-poana sy lasa manita-kevitra avy eo. Ny fitsinjaran-karena tsy ara-drariny, ny dahalo ambony latabatra manjaka, ny kolikoly mahazo vahana, ny raharaha politika misavoritaka,… hany ka mikorontana ny tany ama-monina. Tena hanjakan’ny ratsy!

FANAFIHANA MAHATSIRAVINA ROA

 Nisehoana fanafihana mahatsiravona miisa roa tamina tanàna tsy lavitry ny renivohitra ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. Raim-pianankaviana iray no maty voatifitra tetsy Mandetika Ambalavao Atsimondrano. Ankizy roa mpianatra no naratra. Ny poa-basy tamin’ny 11ora alina no nanaitra ny manodidina, ka faty efa niampatra, diam-bala teny amin’ny rindrina, fianankaviana nipararetra no novantanina tao. Nentina saika haolana tany ambony ny tovovavy iray, izay nifona, ka ny patalohany no efa voaalan’ireo olon-dratsy, hoy ny fitantarana. In’efatra niharan’ny fanafihana izay io tanàna io, izay somary mitokana. Tsy nisy nipetraka tao anatin’ny 7 taona, taorian’ny fanafihana nisiana fanapotsirana ny mason’ny mpiambina, ary izao namoizana aina izao indray. Tsy manana mpiray tampo monina eto Madagasikara intsony ilay raim-pianankaviana, izay asa soa momba ny fampianarana no nokasainy hatao, saingy ny ainy no nanefa. Ankoatra io, nisehoana fanafihana iray ihany koa teny Alasora omaly vao maraina, ka tranona fianankaviana minisitra iray teo aloha no voalaza fa lasibatra. Naolana ny zanaky ny mpiandry tanàna. Voaambana basy tamin’ny fitakiana vola hatramin’ny zazakely vao teraka. Nanjavona ny “disque-dur” an’ny solosaina tao an-trano, vola 2 tapitrisa no lasa,… Mampivarahontsana ny zava-misy, tsy milamina ny tany ka mila mailo sy mitandrina hatrany satria toa efa samy miaro ny rambony tsy ho tapaka izy ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT