Fandriampahalemana

Mponin’Andoharanofotsy Mangataka mpitandro ny filaminana isaky ny tobim-piantsonana


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Mbola tsy tonga any amin’iny faritra Atsimondrano iny ireo mpitandro ny filaminana apetraka mba hiambina ny mpandeha isan-kariva iadiana amin’ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery

. Ho an’ny eny amin’ny kaominina Andoharanofotsy manokana ohatra dia velon-taraina mafy ireo mponina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vao amin’ny 05 ora sy sasany hariva mantsy dia efa misy mpanendaka mihaodihaody any amin’ny tobim-piantsonana ka saika lasibatra avokoa ireo mpianatra madinika sy ny mpiasa. Toraka izany koa ireo mpaka entana sy mpiantsena handeha hamonjy ny tokantranony. Tsy tobim-piantsonana tokana moa no hitrangan’izany fa tobim-piantsonana maromaro mihitsy. Ho an’ny maraina indray dia fantatra fa amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 05 ora sy sasany eo ho eo no tena fanaovan’ireo mpanao ratsy ny asa ratsy. Mijaly ny mponina araka izany koa manantena ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT