Fandriampahalemana

Mpivady voalaza fa avy nangalatra Maty voahosin’ny lamasinina ramatoa, tapa-tongotra rangahy


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Nisehoana tranam-piarahamonina sy loza tsy dia fahita sy tsy fandre firy tany Amboarakely akaikin’i Fiadanana ao Manjakandriana ny sabotsy lasa teo.

Olona mpivady no voahosin’ny lamasinina, ka ilay vehivavy maty teo noho eo, ary ilay lehilahy kosa tapaka tarangana ny fela-tongony, ary nentina notsaboina tao amin’ny Hopitalin’I Manjakandriana izay tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny loza. Raha ny fitantaran’ny olona, voalaza fa avy namaky fisoko fitoerana kisoan’olona izy ireo ary nifanenjehana. Ny sasany milaza fa nisavika lamasinina fa malaina handeha taksibrosy, ao indray ny maneho fa nitsoaka tsy nety nijanona saingy nifanehitra tamin’ity lamasinina, ka izao tra-doza izao. Voalaza fa vahiny fa tsy olona tao an-tanàna moa ireto tra-doza ireto, ka tao ny nilaza fa avy any Ambohibary, ary nisy ny nanamarika fa avy eny Ambohimangakely.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT