Fandriampahalemana

Mpivady niharan’ny fitsaram-bahoaka Matin’ny daroka ilay lehilahy


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Ny sabotsy maraina teo dia mpivady avy nangalatra nivarotra ireo entana avy nangalariny tratran’ny fokonolona no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanasy,

 


fokontany midorehitra mena amin’ny tsy filaminam-bahoaka ao Toamasina ka maty tsy tra-drano ilay rangahy raha mbola avotry ny polisin’ny FIP teo am-pidarohana azy kosa ilay ramatoa vadiny ka mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be ankehitriny. Raha ny angom-baovao avy amin’ireo andrimasom-ponolona ao Ambalamanasy izay tena efa leo ny hafitsok’ireo andian-jiolahy mamaky ny trano sy ny fivarotan’izy ireo, dia nitrangana famakiana ity fivarotana iray mivarotra zava-pisotro. Hagagana ny an’ilay tompony ny maraina nahita ity fivarotany vaky. Nanangom-baovao tamin’ny manodidina ilay tompon’ny fivarotana ka teo no nahalalana fa misy mpivady tsy miasa tsy misy zavatra atao tsikaritry ny olona mivarotra zava-pisotro ao an-trano. Nataon’ny fokonolona ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ary ny fisavana ny trano. Tratra tao amin’izy mivady ireto avokoa ny zava-pisotro avy nangalarin’izy ireo ny alin’ny zoma tao amin’ity mpivarotra ity. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany daroka sy ny vely kibay no nahazo ilay rangahy sy ny vadiny. Tranga iray hafa koa no niseho teo akaikin’ireto trano fandihizana sy fisotroana roa malaza eo akaikin’ny bazary may Ankirihiry. Tovolahy iray malaza efa mpanendaka no matin’ny olona raha nanendaka ny findain’ity mpampanofa tena iray miasa eo anoloan’ireo trano fandihizana ireo.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT